Créer un site internet

Fifampiarahabana tratry ny taona

Toy ny fanao isan-taona, dia anjaran'ny terak'i Mariette Ramahavalisoa no mandray ny taranaka, ka tao amin-dry Pita tao Ankaditapaka - Ankadifotsy no nanatanterahana izany ny Alahady 24 Janvier 2010 tolakandro. Misaotra an'Andriamanitra fa afaka niakatra koa i Tiana avy any Ile aux Nattes (Sainte Marie) niketriketrika tsara nahandro.

Nahafinaritra ny korana, ary samy nahazo ny anjarany ny lehibe sy ny kely. Ny Président Liva no nitondra ny teny fiarahabana. Saingy ny nampalahelo dia ny nandre fa marary tsy afa-mandeha ao Tsiazotafo i Line vadin'i Jojo. Koa taorian'ny fifampiarahabana sy ny fanolorana ny solom-body akoho, dia nirohotra niara-namangy azy izay afaka.

Nofaranana tamin'ny 3ème mi-temps ny korana ka tamin'ny fito valo alina teo no tafasaraka.

Ny Birao

Sous-pages :

 
Ajouter un commentaire
 

Créer un site internet avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site