Taombaovao 2024 sy Birao

Notontosaina tao amin'ny trano filanonan'ny Sekoly Esca ao Antanimena ny lanonana fifampiarahabana tratry ny taona vaovao, izay nokarakarain'ny taranak'i Bebe tantine ao Ankaditapaka Ankadifotsy.

Naresaka tokoa ny korana ary nafana ny lanonana, izay natomboka tamin'ny 11 ora antoandro mba hahakavalava ny fiarahana. Araka ny fanirian'ny maro ny misy fikasana fanavao ny Birao mpitantana mba hanome aina vao sy ho fampivoarana hatrany ny fiainam-pianakaiana, satria efa mihamaro ny taranaka; ary efa mitombo taona ireo zatovo tokony mifanampy amin'ny fandrasana andraikitra eo amin'ny lafim-pianinana samihafa, ahazoana traikefa mba ho tojo fahombiazana hatrany ny Fianakaviantsika.

Tapaka àry fa i Président Liva ihany no hitarika sy hamory ireo solontena isan-dreniny mba hiara-handinika ireo fepetra samihafa izay takin'ny zava-misy amin'ny fiainana ankehitriny, dia ireto avy izany!

Batty, Serge, Tiana, Liva, Rita, Patrik kely, ary Bakoly.

.Samia ho tahian'Andriamanitra.

Ajouter un commentaire
 

Créer un site internet avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site