Taranak'Itompokolahy RAMAHAVALISOA Télesphore
TARANAK'ITOMPOKOLAHY RAMAHAVALISOAFaha-02 Febroary 2008
Ho an'ny Taranaka rehetra tsy an-kanavaka,
Ry Havana,
Fifaliana ho anay Birao ny manasa antsika Taranaka rehetra ho tonga amin'ny FITSANGATSANGANANA sy KORANAM-PIANAKAVIANA mba hifankahalalàn'ny zanaka amam-para satria efa marobe izy ireo, sady hanolorana ihany koa ireo vinanto vao nanatevin-daharana ny Fianakaviana. Ny daty dia ny ALAHADY 18 Mey 2008 manomboka amin'ny 9 Ora sy sasany maraina.
Ny toerana dia eny amin'ny Lycée Technique d'Ampasampito. Samy mitondra ny variny sy ny fitaovam-pihinanana, fa ny laoka dia ho karakarain'ny Birao.
Koa manantena antsika mianakavy ho tonga maro miaraka amin'ireo kilalao hiarahana. Aoka hifampilaza sy hiomana dieny izao!
Ny Prezidà
RAMAHAVALISOA Olivier Mananarivo
_______________________________________________________________________________________________________
[...TOHINY] Nahafinaritra tokoa, ary azo lazaina fa lavorary iny hetsika voalohany nokarakarain'ny birao teny Ampasampito iny. Indrindra moa fa nifanandrify, noho ny fitantanan'ny Tompo, tamin'ny ny fivahiniana an-tanindrazana an'i tantine Fara avy any Reims, sy i Patricia zanany ary Jessica zafy, ka safononoka ny mpianakavy.
Jereo ato ny santionan-tsary mirakitra io koranam-pianakaviana nisongadina io (Klikeo etsy amin'ny ankavia).
Dia mirary soa indray e!